Cette page est en Malgache / This page is in Malagasy

Tonga soa!

Grondair dia kompaniam-pitaterana an’habakabaka izay hankatoavin’ny Vondrona Iraisam-pirenena misahana ny Fitaterana an’habakabaka Sivily. Nijoro ary efa am-perinasa hatramin’ny taona 1978, Grondair dia misahana sekoly ambony manofana ho mpanamory fiaramanidina matihanina sy fampanofàna fiaramanidina ary manao asa fitaterana isan’karazany amin’ny alalan’ny fiaramanidina koa.

Isan-taona, dia betsaka ireo mpianatra vahiny tonga mandranto fianarana sy manovo fahalalàna eto anivon’ny sekoly Grondair.

Tsy latsa-danja amin’izany ireo mpianatra malagasy maro, izay mahazo tombony tokoa, satria avo lenta ny fiofanana atolotr’ireo mpampianatra eto amin’ny Grondair.

Aorian’ny fiofanany, dia maro amin’ireo mpiofana Malagasy izay nahavita ny fianarany tato amin’ny Grondair no mahazo tolotr’asa voalohany avy hatrany eo amin’ny sehatry ny fanamoriana fiaramanidina toy ny mpanamory mpisafo eo amin’ny fanarahamaso ny doro ala izany na koa ho mpanofana mpanamory fiaramanidina.

Mahaliana anao kokoa ve ny fitaterana mpandeha? Aorian’ny fahazoanao traikefa iray na roa taona monja teo amin’ny sehatry ny fanamoriana fiaramanidina dia misokatra ho anao ny tontolon’ny fitaterana mpandeha an-tselika na ny “Taxi aérien”.

Koa, raha mahaliana anao ny hiofana sy hiorina amin’ny asa fanamoriana fiaramanidina, dia faly mandray anao ny ekipa rehetra eto amin’ny Grondair ary manasa anao ihany koa hitsidika ny tranonkala amin’ny fiteny frantsay na fiteny anglisy.

Raha manam-panontaniana na koa misy fanampim-panazavàna tianao ho azo dia aza misalasala mifandray avy hatrany amin’ Andriamatoa Jocelyn Dulac, mpiandraikitra voalohany ara-pihofanana eto anivon’ny sekoly amin’ny alalan’ny adiresy mailaka: ecole@grondair.qc.ca

Misaotra Tompoko.